Iny raditra e
toa mipitrapitra e
eo am-baravaran'i paolo e
mando maso e
mahita ny akama
mandalo varavaran'i paolo e
Soa fa nisy ihany voalavo
mba namany tsy nanary e
hizarany ny alahelo e
sy vary masiso tsy lany e
Masoandro firy e
no efa nandalo teo antsinanany paolo e
fa raditra tsy mba nanisa
fa niandry ny anjarany foana e
Mamomamo, ity lay revy
mampikoso anabavy e
Firy taona izao raditra
no tsy mba nahita vehivavy e
Ory i raditra
raha sendra mandra
irony ny mpifankatia e
Taloha hono izy
mba olo mihaja sy lehilahy
mahavita sonia e
Lala o! lala o!
efa maty ve?
no tsy hitako mandalo intsony e
Fa ny an'i raditra,
ka efa bambon-dehilahy ny fony e
I raditra e
toa mipitrapitra e
eo am-baravaran'i paolo e
mando maso e
mahita ny akama
mandalo varavaran'i paolo e
Soa fa nisy ihany voalavo
mba namany tsy nanary e
hizarany ny alahelo e
sy vary masiso tsy lany e